Société

Vono olona, halatra taova, taolam-paty : nitaky fanazavana amin’ny mpitondra ny depiote

Publié le 16 Mars | 03:03

Tsy nitsitsy fitenenana ireo depiote. Anisan’ny nitakian’ireo solombavambahoaka fanazavana tamin’ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana ny resaka halatra taova sy taolam-paty izay toa niha-niroborobo indray tato ho ato. « Zary mihorohoro sy feno tahotra ny vahoaka amin’izao fotoana izao », hoy izy ireo. Anisan’ny niatrika ny solombavam-bahoaka nandritra ny alina tontolo, tetsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka ary koa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

Nampanantena vahaolana

Nampanantena avokoa izy ireo fa hitady vahaolana manoloana ireo voalaza rehetra ireo. Amin’ny ankapobeny, nitovy avokoa ny ankamaroan’ny olana eo amin’io sehatra ny tsy fandriampahalemana io tamin’ireo distrika naha-voafidy ireo solombavam-bahoaka. « Tsy ampy ny mpitandro filaminana : zandary sy polisy. Na eo amin’ny isany io, na ny fitaovana ampiasaina. Tena miasa tsara nefa izy ireo. Ka mba mangataka izahay ny hanampiana ny fitaovana fa tena mikaikaika ny vahoaka ao amin’ity distrika lehibe indrindra eto Madagasikara ity », hoy ny depiote voafidy eny Atsiomondrano, Ratsivahiny Andry, tamin’ny anjara fitenenany.

Angidimby tonga hatrany any amin’ny kaominina

Tonga hatrany amin’ny tokony handraisana andraikitra bebe kokoa manoloana ireo vono olona nisesisesy tato ho ato ny antso avo nataon’ireo depiote . Teo koa ny fitakiana ny angidimby, mba ho alefa any amin’ireo kaominina tafiditra amin’ny faritra mena. « Nahoana no tsy ampiasaina amin’ny fanenjehana dahalo araka ny baiko sy fampanantenan’ny filoha ireny fitaovana ireny ? », hoy ny fanontanian’izy ireo.

Autres articles

Météo

Pharmacie Garde du 14/03 au 21/03/2020